Ny fanantenan’ny mino amin’ny fiaretana fahoriana

Ny fanantenan’ny mino amin’ny fiaretana fahoriana
𝐅𝐢𝐭𝐚𝐫𝐢𝐡𝐚𝐧-𝐭𝐞𝐧𝐲
Amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao dia tandrify tsara ny lahateny anjarantsika anio, mba hifampaharezantsika manolona ny fahoriana sy ny zava-tsarotra izay lalovan’ny firenena ary miantraika amin’nyfiainan’ny isan-tokan-trano koa ary tsy afa-miala amin’izany ny mino.
Ny anjara izay nomena anay dia ny Lahateny (3) izay mitondra ny lohan-teny hoe: 𝗡𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝘁𝗲𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗶𝗻𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗲𝘁𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗮𝗵𝗼𝗿𝗶𝗮𝗻𝗮.
Talohan’ny fahalavoana ry havana dia niaina tao anatin’ny fiadanana safononoka ny zanak’olombelona ary tsy nisy zava-nanahirana azy ireo fa ampy izay nilaina hiatrehana ny fivelomana sy ny fiainany. Tsy nahafantatra fahoriana na tomany vokatry ny alahelo ny olona tamin’izany fotoana izany. Tsy nandalovan’aretina na rofy koa izy ireo. Ary ny zava-dehibe dia nifanerasera sy niresadresaka nivantana tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fahatongavan’Andriamanitra matetika namangy azy ireo tao amin’ny saha Edena (Gen.2: 15).
Niova tampoka anefa izany fahasambarana izany noho ny fahalavoana ka tafiditra tamin’ny fiainan’ny zanak’olombelona ny ota. Simba ny fifaneraserana mahafinaritra tamin’ Andriamanitra ka nanjary nandositra an’Andriamanitra ny olona. Simba ihany koa ny feon’ ny fieritreretana ka enjehin’ny tahotra sy ny fiahiahiana ary totory ny famoizam-po ny olona, izany no mampitombo ny fahoriana sy ady sarotra iainan’ny zanak’olombelona isan’andro isan’andro. Mirona ho amin’ny asan’ny nofo mandrakariva ny safidin’ny zanak’olombelona ka ny nofo no mibaiko izay ataony rehetra sy ny faniriana rehetra (Gen. 6.3). Simba ny fiaraha-monin’ny mpivady satria rava ny fiainana feno fahasambarana sy fifamenoana ka fahoriana sy fahapotehana maro lafy no manjaka dia ny fijaliana, ny fangirifiriana ary fanaintainana mihatra hatramin’ny aty fanahy no mameno ny fiaraha-monina iainann’ny zanak’olombelona. Simba koa ny fifandraisan’ny Ray aman-dreny sy ny zanaka amin’ny alalan’ny ady sy ny fifandirana. Manjaka ny fitiavan-tena ary mahazo laka ny toen-tsaina te hanam-be mihoatra ny tsara izay nomen’Andriamanitra ny zanak’olombelona ka tonga amin’ny fananaraotana sy ny fanambakana.
Etsy andaniny, Satana koa dia nampiditra ny ratsy ao amin’ ny zanak’olombelona ary mampiasa ireny ho fitaovana mahomby hanakorontanana ny fiainan’ny zanak’olombelona. Mivadika ho hery tsy tsilo na fahasahiranana mamely ny zanak’olombelona ny zava-boahary noharian’Andriamanitra hahasambatra azy. Nialana ny lamina sy ny fiahiana ary ny fikarakaran’Andriamanitra manolotra fanomezana amin’ny alalan’ny fiahiany ny zanak’olombelona ka tsy mahagaga raha miaina ao anatin’ny fahafatesana sy fahasimbana ary ny fanamelohana isika ankehitriny.
Izao tontolo izao simba sy tafasaraka tamin’Andriamanitra, ary izao tontolo izao feno ozona sy entana mavesatra no iainatsika ankehitriny ka mipetraka ny fanontaniana hoe:
𝙈𝙤𝙖 𝙫𝙚 𝙢𝙗𝙤𝙡𝙖 𝙢𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙣𝙩𝙚𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙞𝙝𝙖𝙣𝙮 𝙣𝙮 𝙢𝙞𝙣𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙖𝙧𝙚𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙛𝙖𝙝𝙤𝙧𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙖𝙣𝙤𝙡𝙤𝙣𝙖 𝙞𝙯𝙖𝙣𝙮 ?
Ao anatin’izany hevi-dehibe izany no hamaliantsika ny fanontaniana voalohany hoe: Inona ary no atao hoe fahoriana?
Aorian’izany kosa no hamaliantsika ny fanontaniana hoe: Ahoana ny endrika isehoan’izany fahoriana izany amin’ny fianan’ny mino?
Ary amin’ny farany no hamaliantsika ny fanontaniana hoe: Manao ahoana ny fanantenan’ny mino amin’ny fiaretana fahoriana izany? (Tokony na tsy maintsy hiaretana ve ny fahoriana?)
¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤
𝐈𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐨 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐡𝐨𝐞 𝐟𝐚𝐡𝐨𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚 ?
Ny teny hoe 𝐟𝐚𝐡𝐨𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚 (ory) dia dikan’ny teny Latina: 𝒕𝒓𝒊𝒃𝒖𝒍𝒂𝒕𝒊𝒐 ka adika amin’ny teny Malagasy hoe 𝘢𝘭𝘢𝘩𝘦𝘭𝘰 𝘭𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦 𝘪𝘵𝘢𝘮𝘣𝘢𝘳𝘢𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘷𝘰𝘪𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘧𝘪𝘫𝘢𝘭𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘩𝘦𝘯𝘫𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘮𝘢𝘯𝘨𝘪𝘥𝘺 𝘢𝘳𝘺 𝘧𝘪𝘵𝘴𝘢𝘱𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘩𝘢𝘮𝘢𝘺 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘮𝘪𝘵𝘳𝘢𝘯𝘨𝘢 𝘴𝘺 𝘮𝘢𝘮𝘱𝘪𝘵𝘢𝘯𝘰𝘯𝘥𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘰𝘭𝘰𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘪𝘯𝘢𝘯𝘺.
Ny Fahoriana koa no ilazana ireo zavatra miteraka fangirifiriana eo amin’ny olona na ara-batana na ara-panahy ka ny tena mavesatra indrindra dia ny fahoriana ara-panahy izay mahatonga ny olona iray hahatsapa fa toa tady ho resin’ny zava-tsarotra izy, ka tafalatsaka amin’ny famoizam-po noho ny fibosesiky ny ady mafy atrehiny izay tsy hainy tohaina eo amin’ny fiainany. Izany no mahatonga ny olona hamoy fo indraindray raha mafy ny fijaliana mahazo azy. Izany no mahatonga ny olona hitady vahaolana hafa ivelan’Atra, eny raha raha mandalo fizahan-toetra, ka mahatonga ny olona hanalavitra an’Atra mihintsy aza, ary tonga hatramin’ny fanomezantsiny an’Andriamanitra ho fototry ny fahavoazana sy ny tsy miaro azy amin’ny loza . Izany no nahatonga an’I Joba hametram-panon-taniana ao amin’ny Joba 27:9 hoe: “Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, raha ozoim-pahoriana izy?”
Ny fahoriana koa dia ampahan-javatra sarotra lalovan’ny zanak’olombelona ao anatin’ny fiainana dia ireo karazam-pisentoana rehetra, ny havesatry ny ady atrehina sy iaretana, ireo fahadisoam-panantenana, ny alahelo mafy, ny aretina mandringana, ary ny ratram-po sarotra sitranina sy ny fahadisom-panantenana ka mahatonga fisentoana anaty. Ao anatin’izany ireo zava-mitranga tsy ampoizina izay mampanjombona ny fiainantsika zanak’olombelona. Izany indrindra no lazain’ny Mpitoriteny 9:12 hoe: “𝘍𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘵𝘢𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘰𝘭𝘰𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘯𝘺; 𝘧𝘢 𝘵𝘰𝘺 𝘯𝘺 𝘩𝘢𝘻𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘯𝘰 𝘢𝘻𝘰𝘯’ 𝘯𝘺 𝘩𝘢𝘳𝘢𝘵𝘰 𝘧𝘢𝘩𝘪𝘵𝘢𝘯-𝘥𝘰𝘻𝘢 𝘪𝘻𝘺, 𝘢𝘳𝘺 𝘵𝘰𝘺 𝘯𝘺 𝘷𝘰𝘳𝘰𝘯-𝘬𝘦𝘭𝘺 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘷𝘰𝘢𝘯’ 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘬𝘢, 𝘥𝘪𝘢 𝘷𝘰𝘢𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘵𝘰𝘺 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘻𝘢𝘯𝘢𝘬’ 𝘰𝘭𝘰𝘮𝘣𝘦𝘭𝘰𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’ 𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰 𝘮𝘢𝘩𝘰𝘳𝘺, 𝘳𝘢𝘩𝘢 𝘮𝘢𝘩𝘢𝘷𝘰𝘢 𝘢𝘻𝘺 𝘵𝘢𝘮𝘱𝘰𝘬𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺.”
𝗜𝗿𝗲𝗼 𝘁𝗼𝗲-𝗷𝗮𝘃𝗮𝘁𝗿𝗮 𝘁𝗲𝗿𝘆 𝗻𝗮 𝗮𝗻𝗸𝗮𝘀𝗼𝗺𝗽𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝘀𝗼𝗺𝗽𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗮𝘁𝗮𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮, 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝘆 𝗻𝗼 𝗮𝗺𝗯𝗮𝗿𝗮𝗻𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗵𝗼𝗲 𝗳𝗮𝗵𝗼𝗿𝗶𝗮𝗻𝗮 𝘀𝗮𝘁𝗿𝗶𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗴𝗲𝗷𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻𝘆 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆.
Tsy ny fiainana ihany indraindray no mahatonga ny fahoriana eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona fa ao koa ny fanenjehana sy ny fanoherana mavivay tsy amin’antony ary fampahoriana mavesatra vokatry ny fananakiana manapotika ombam-pankahalana ataon’ny olona amintsika.
𝗡𝘆 𝗕𝗮𝗶𝗯𝗼𝗹𝘆 𝗱𝗶𝗮 𝘁𝗲𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗿𝗲𝘀𝗮𝗸𝗮 𝗯𝗲𝘁𝘀𝗮𝗸𝗮 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗼𝗿𝗶𝗮𝗻𝗮.
Raha ny Baiboly no miresaka momba ny fahoriana dia sary sy oham-pitenenana toy ny hoe lalan-tery (kizo), izay tsy misy làlana hiviliana, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia no ilazany ny fahoriana. Izany hoe fipetrahan’ny olona eo anelanelan’ny zava-tsarotra tsy azo ialana ny fahoriana. Ny fahoriana ihany koa dia fahaporetana mampitahotra. Ny fahoriana dia ireo tebiteby be loatra, horohoro na alahelo, na fanaintainana na ireo zavatra mampahory sy mampijaly ary miteraka fantaintainana sy fahasoretana ary fanelingelenana ao anatin’ny loha na koa ireo zavatra mandreka ka mahakely hery ny olona. Io no anambaran’ny TT azy. Ohatra ny Nomery 22:26), Sal. 78:42, (Joba 41:15); (Ohab. 24:10), (Ohab. 24:10).
𝗧𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗹𝗮𝘃𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗻’𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗶𝗹𝗮𝘇𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗲𝘀𝘁𝗮𝗺𝗲𝗻𝘁𝗮 𝗩𝗮𝗼𝘃𝗮𝗼 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗼𝗿𝗶𝗮𝗻𝗮.
Ny fahoriana dia avy amin’ny teny Grika hoe 𝒕𝒉𝒍𝒊𝒑𝒔𝒊𝒔, ka adika hoe  » fanaporetana miaraka, toy ny famiazana voaloboka. Azo oharina amin’ny famiazana toy ny fanolanan-damba (foton-teny “fia”) na fangejana, fangiazana, famoretana,na fanerena, na famintinana: (ftt:fintina), na fanakelezana, fanafohezana, izay samy avy amin’ny matoanteny grika“ thlibo”. Ka ireo teny ireo dia sary an’ohatra izay entina ilazana ny fahoriana. Ny Baiboly Septanta (LXX ), izay fandikana amin’ny teny Grika ny Baiboly Hebreo dia mandika ny fahoriana avy amin’ny teny Hebreo hoe tsar sy tsarah; sy ny Vulgate, izay Baiboly nadika amin’ny teny Latina (Jerome’s Latin Bible, 390-405 A.D.) dia mandika ny fahoriana hoe “ tribulatio pressure” (avy amin’ny hoe tribulum) ka adika hoe  » manorotoro sy manasaraka”, na koa entina hilazana ny hoe fanavahana na fanatatavanana. Izany dia sary an’ohatra entina hilazana ny karazana angadin’omby hazo izay mirefy manodidina ny 1.828800m eo hoe ka misy lela vy maranitra anakiroa, izay entina manapotika ny tany iasana sy anasarahana varim-bazaha izay ambolena.
Hitantsika ao amin’ny Isa.41: 15-16 ny hoe: “𝘐𝘯𝘥𝘳𝘰, 𝘢𝘵𝘢𝘰𝘬𝘰 𝘬𝘰𝘥𝘪𝘢 𝘷𝘺 𝘷𝘢𝘰𝘷𝘢𝘰 𝘮𝘪𝘴𝘺 𝘯𝘪𝘧𝘺 𝘮𝘢𝘳𝘢𝘯𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘪𝘢𝘯𝘢𝘰; 𝘏𝘪𝘷𝘦𝘭𝘺 𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘯𝘥𝘳𝘰𝘮𝘣𝘰𝘩𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘪𝘢𝘯𝘢𝘰 𝘬𝘢 𝘩𝘢𝘯𝘰𝘳𝘰𝘵𝘰𝘳𝘰 𝘢𝘻𝘺 𝘩𝘰 𝘷𝘰𝘷𝘰𝘬𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘩𝘢𝘯𝘢𝘰 𝘯𝘺 𝘩𝘢𝘷𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘩𝘰 𝘵𝘢𝘩𝘢𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘬𝘰𝘧𝘢. 𝘏𝘪𝘬𝘰𝘳𝘰𝘳𝘰𝘬𝘢 𝘢𝘻𝘺 𝘩𝘪𝘢𝘯𝘢𝘰, 𝘬𝘢 𝘩𝘰𝘱𝘢𝘰𝘩𝘪𝘯’ 𝘯𝘺 𝘳𝘪𝘷𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘪𝘻𝘺, 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘧𝘪𝘰-𝘥𝘳𝘪𝘷𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘢𝘯𝘦𝘭𝘺 𝘢𝘻𝘺; 𝘍𝘢 𝘩𝘪𝘢𝘯𝘢𝘰 𝘬𝘰𝘴𝘢 𝘥𝘪𝘢 𝘩𝘪𝘳𝘢𝘷𝘰𝘳𝘢𝘷𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’ 𝘪 𝘑𝘦𝘩𝘰𝘷𝘢𝘩, 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘐𝘳𝘢𝘺 𝘔𝘢𝘴𝘪𝘯’ 𝘯𝘺 𝘐𝘴𝘪𝘳𝘢𝘦𝘭𝘺 𝘯𝘰 𝘩𝘰 𝘳𝘦𝘩𝘢𝘳𝘦𝘩𝘢𝘯𝘢𝘰.”
Araka izany ny fahoriana dia tsy hafa fa ireo zava-tsarotra (the hardships) na fitsapana sy ny olana izay manaporitra sy mangeja ary manery, eny mety hanotoro antsika mihintsy aza eto amin’izao tontolo izao ity noho ny fanarahana an’i Jesosy Kristy.
¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤
𝐀𝐡𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐞𝐧𝐝𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐢𝐬𝐞𝐡𝐨𝐚𝐧’𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐨𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐢𝐧𝐨?
Ny fisondrotam-bidim-pianana tafahotra ka miteraka fahasarotam-piainana tsy ahitam-bahaolana. Ny loza mifanesy toy loza voa-janahary (hain-tany, tondran-drano) ka miteraka ny tsy fahampiana eo amin’ny fiainantsika. Ny fahasimban’ny fihariana toy ny fahapotehan’ny fitadiavana ary ny fahaverenana sy tsy fanana’asa. Ny areti-mandoza tsy ahitana vahaolana. Ny fahafatesan’ireo havan-tiana sy ireo akaikin’ny fo tsy niala-nenina na lasa tampoka noho ny ady atrehina. Ny fizahan-toetra mahamay tsy mitsahatra. Ny fanenjehana tsy hay tohaina eny famonoana mihintsy amin’ny fomba an-kolaka sy mivantana aza. Ireo no ny endrika isehoan’izany fahoriana izany amin’ny fianan’ny mino
Zavatra efa mitranga aeo amin’ny fiainantsika andavanandro izany.
𝑴𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒂𝒉𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒏𝒕𝒆𝒏𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒎𝒊𝒏𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒂𝒓𝒆𝒕𝒂𝒏𝒂 𝒇𝒂𝒉𝒐𝒓𝒊𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚? 𝑻𝒐𝒌𝒐𝒏𝒚 𝒏𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒊𝒏𝒕𝒔𝒚 𝒉𝒊𝒂𝒓𝒆𝒕𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒎𝒊𝒏𝒐 𝒗𝒆 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒐𝒓𝒊𝒂𝒏𝒂?
Raha mijery ny fiainana isika dia mahita fa misy zavatra tsy azo hazavaina sy sarom-pantarina itondran’Andriamanitra ny fiainantsika. Ary tsy zava-baovao amin’ny fiainan’ny mino ny fahoriana na dia mafy sy mangidy aza ny iainany azy.
Tsy zakan’Andriamanitra ny mahita ny fahoriantsika. Rehefa lavo Adama sy Eva ao amin’ny Gen 3:15 dia nanomana famonjena ho antsika ao amin’i Jesosy Kristy Andriamanitra satria tsy foiny ho faty sy very mandrikazay ny olombelona. Fitiavana tapitr’ohatra nanirahan’Andriamanitra ny Zanany hiara-monina amintsika ahafahany mahalala ny fahoriana sy ny fijaliantsika. Ary hoy koa Izy ao amin’ny Eks. 3:7 Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian’ ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony. Ary ao amin’ny Jao.11: 35 aza, Jesosy nitomany nahita ny fahorian’i Martha sy Maria.
Ny fahoriana mantsy dia manondro ny fijaliana sy ny zava-manahirana rehetra dia ny fahasarotam-piainana rehetra izay mianjady amintsika zanak’olombelona. Ary tsy mba afenin’ny Baiboly amintsika ireo karazam-pahoriana mafy sy fahasahirana ary zava-tsarotra mianjady amin’ny zanak’olombelona nanomboka tamin’ny fahalavoana ka miantraika amintsika zanak’olombelona ankehitriny koa. Rava ny fahafinaretana tapitr’ohatra sy ny fiainam-pahasambarana miaraka amin’ Andriamanitra niainana taloha, vokatry ny ady atrehana noho ny fidiran’ny ota.
Maro amin’ireo olo-ben’ny Finoana aza no ambaran’ny Baiboly fa nandalo sy nidonam-pahoriana na dia ambaran’ny Baiboly fa natoky sy niara-nandeha tamin’Andriamanitra izy ireo. Nihatra tamin’i Joba ohatra ny finoan’olo-marina navela ho sedrain’i Satana ka nandalo fitsapana mahamay, araka ny fanomezan-dàlan’Andriamanitra (Job. 1.9-12) mba hijerena na hatoky an’Andriamanitra hatrany izy na tsia (Job. 1.1), raha rava fananany (Job. 1.14), ary ringana zanany (Job. 1.18-19), sy ny fangifiriana ary ny fijaliana nahazo azy noho ny vay ratsy (Job. 2.7). Toy izany koa ny fiaretany ny fitsarana sy ny fanakianana ary ny fanomezan-tsiny nataon’ireo sakaizany telolahy azy fa ny nahatonga ny fahavoazan’i Joba dia noho izy niala tamin’ny fitokisany amin’Andriamanitra.
Tahak’izany ihany koa ny amin’ny tantaran’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego izay natsipy teo anatin’ny lafaoro nisy afo mirehitra izy vokatry ny fankahalana ka nanambara tamin’i Nebokadnezara izy ireo hoe: fa Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin’ny tànanao, eny na dia tsy hamonjy anay aza Izy dia tsy hiankohoka sy hanompo, ary hivavaka amin’ny sariolona volamena izahay. Ambaran’ny bokin’I Dan.3: 27 fa tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny afo, na nisy singam-bolo nikainkona tamin’ny lohany, na niova ny lobany, ary tsy nisy fofon’afo akory taminy. Ambaran’izany fa miantoka izay rehetra matoky Azy tokoa Andriamanitra, rehefa mándalo sedra sy zava-tsarotra eo amin’izao tontolo izao izy.
Maro ny fahorian’ny marina”, hoy ny mpanao salamo, “nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany.” (Salamo 34:19), izany hoe na “ny marina” koa aza dia mety ho tojo zava-manahirana. Ambaran’ny mpanao Salamo anefa “Fiarovana mafy” ho antsika Izy “amin’ny andro fahoriana.” (Salamo 37:39).
Ohatra amin’ireo fahoriana ao amin’ny Testamenta Vaovao dia i Jaona Mpanao Batisa, izay nanohitra sy nananatra ny fijangajangana nataon’i Heroda Antipas nangalatra ny vadin’ny rahalahiny ka notapahin-doha (Marka 6: 21-29). Midika izany fa rehefa mijoro amin’ny fahamarinana ny olona, dia tonga ny fanenjehana, ary mety ho tonga hatramin’ny fahafatesana izany. I Stefana diakona, izay nitory ny filazantsara dia nolavina sy notoraham-bato (Asa. 6: 5; 7: 1-60); i Paoly dia nenjehina sy nokapohina ary nogadraina rehefa nitoriteny isan-toerana, ary novonoina tany Roma ihany koa (2 Tim 4: 6-8).
Jesosy tenany aza dia efa nilaza ao amin’ny Mat 23:34: “Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho aty aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin’ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin’ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra.” Izany hoe Jesosy dia efa nilaza mialoha ny hisian’ny fahoriana izay hitranga ka mety hiteraka tahotra na fihemorana izany raha tsy mijoro amin’izay niantsoan’ny Tompo azy ny zanak’olombelona, indrindra fa isika kristiana ankehitriny. Koa mampahery Izy. Ny mampiavaka an’i Jesosy dia Izy mahafantatra ny fahoriantsika satria efa niainany izany, dia ny fanenjehana, ny fampitondrana fangirifiriana azy, ny fampijaliana, ny fandaozana, ny tsy firaharahana. Ary hita teo amin’ny hazo fijaliana aza ny fialany aina vokatry ny fanenjehana mafy ka namonoana azy teo amin’izany hazo fijaliana izany.
Paoly dia nananatra ny fiangonana fa raha avy ny fahoriana dia tsy tokony hampanalavitra antsika amin’Andriamanitra izany. Hoy izy ao amin’ny Rom.8:35,39 “ Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’I Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra… na inona na inona amin’ny izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka amin’ny fitiavan’iKristy Jesosy Tompontsika”?
Ny ambaran’izany dia tsy hafa fa ny fahoriana eto an-tany dia tsy mampisaraka antsika amin’ny fitiavan’I Kristy sy ny firaisana aminy. Zavatra mandalo ireny fahoriana ireny, fa tsy haharitra mandrakizay akory. Mitarika amin’ny fandresena koa ny ady, ary ny zava-tsarotra mitarika antsika hanana firaisana bebe kokoa amin’Andriamanitra. Indraindray mantsy ny fahoriana dia sedram-piaianana tsy maintsy zakaina avy amin’Andriamanitra. Na dia izany aza, dia teny fampanantenana nataon’Andriamanitra ao amin’I Jesosy Kristy. Amin’izany no ihariharian’ny fitiavany antsika ka tsy avelany ho fefika ao anatin’ny fahavoazana isika mino Azy. Izany no Teolojian’ny Fanantenana.
Ao anatin’izany Teolojian’ny Fanantenana izany, dia tsy afa-mandositra izay tontolo izao ny Kritiana fa miana amin’ny fahoriana sy ny fiadanana koa. Ny finoana no mamatotra ny olona amin’i Kristy. Ny fanantenana kosa dia manokatra io finoana io ho ao amin’i Kristy feno. Amin’ny lafiny iray ny fahoriana anefa dia mitondra fivoarana sy fandrosoana ara-panahy ho antsika. Io ilay ataontsika hoe fanefena na fanamboarana. Tefena sy amboarina amin’ny fahoriana ny mino na dia sarotra aza ny miaina izany. Izany hoe ny fahoriana sy fitsapana mahamay eo amin’ny fiainantsika, dia azon’Andriamanitra ovaina ho zava-tsoa hampiorina ny finoana sy ny fanantenantsika.
Izany no ambaran’i Paoly ao amin’ny Romans 5:3-6 : « Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin’ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra* ho ao am-pontsika. [* Na: ny fitiavana an’Andriamanitra] »
Na dia izany aza, dia tadidio fa rehefa mafy loatra ny ady atrehina, ary tsy zaka intsony ireo karazam-pahoriana izay mianjady amin’ny olona anankiray, dia miteraka ny atao hoe fikorontanan-tsaina na aretin-tsaina momba ny adim-panahy. Miseho lany ny fanaintainana mafy, na ara-batana na ara-tsaina na ara-panahy, ny fahaketrahana, ny fahakiviana, lasa be fanahiana ny olona ka lasa simba izy. Raha tsy voafehy fa mitatra kosa izany olana ara-tsaina izany dia miteraka fiovana be amin’ilay olona. Lasa nofy ratsy ho azy ny fianana ankehitriny sy ny hoaviny. Tsy mety mivavaka intsony, mankahala an’Andriamanitra sy mikomy Aminy. Mety hanaratsy fivavahana aza. Tsy mety hampaherezina fa mijanona ho “victime” foana. Ary farany dia mivarilavo amin’ny fahapotehana. Vokany, maharitra ela vao mety hitodika amin’Andriamanitra izany olona izany, satria tafalatsaka loatra ao amin’ny ati-fanahiny ny fiheverana fa lavitra azy Andriamanitra ka nanary azy, na koa ny fiheverana fa ny anton’ny zavatra ratsy rehetra izay sedrainy dia avy amin’Andriamanitra.
Jesosy Kristy dia tsy mampianatra ny olona handositra ny fijaliana fa hitondra izany kosa no ampaherezany antsika. Izao no lazaina : “Ny hazofijalian’i Kristy sy ny hazofijalian’ny kristiana dia mifamatotra mandrakariva “satria mifamatotra i Kristy sy ny kristiana marina.
Asehoan’i Lotera ny maha zava-dehibe ny fijaliana amin’ny alalan’ny filazany fa :”Ny fijaliana dia miseho marina ho làlana azo antoka ho amin’Andriamanitra, ao amin’ny fijaliana no ihaonantsika amin’Andriamanitra. Tsy ny fijaliana rehetra anefa no resahin’i Lotera amin’izany fa ny fijaliana noho ny fanarahan-dia ny Tompo. Fantatr’i Lotera marina tokoa ny fijaliana izay sazin’ny ota izany. Nefa zavatra voaporofo fa ny fijaliana sy ny finoana dia anisan’ny toetra manokan’ny Hazofijaliana izay tian’Andriamanitra holanjain’izay mino Azy.
Ambaran’ny Salamo 119: 116 ary fa :Tohàny aho araka ny teninao, mba ho velona, ary aoka tsy ho menatra amin’ny fanantenako aho. Toy izany koa ny 1 Petera 5 : 7: “Ary apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra: fa Izy no miahy anareo.”
Andriamanitra dia mamatsy izay ilaintsika amin’ity fiainana ity. Mijery antsika amin’ny fahasoavany Izy, amin’ny alalan’ny fanomezany sakafo sy ny fanampiany marolafy ary ny fanohanany sy mitantana an’izao tontolo izao. Miaro ny voahariny Andriamanitra, tsy latsa-danja amin’izany isika olombelona. Indraindray koa anefa Izy dia miara-miasa amin’ny zava-mitranga rehetra amin’ny fiainatsika, izay ifangaroan’ny soa sy ratsy. Tsy midika anefa izany hoe Andriamanitra dia mpampijaly na fototry ny ratsy.
Izany no miteraka ny fanontaniana hoe: Nahoana Andriamanitra no mamela ny fahoriana sy ny fijaliana hihatra amin’ny mino azy?
Izao no ambaran’ny Apok.21: 4-5 “Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.”
Mampanantena i Jesosy Kristy fa ho avy ny fotoana hamafany ranomaso rehetra, hampitsaharany ny fangirifiriana rehetra, hanalany ny fanaintainana rehetra ka ihainoany ny fitarainantsika.
Ambaran’ny 2 Korintiana 4:16-18: Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan’ ny fisaorana ho voninahitr’ Andriamanitra noho ny fitombon’ ny fahasoavana amin’ ny maro. Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan-andro isan-andro kosa ny toetray anatiny. Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay, raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.
Ny fanantenan’ny mino ary dia ao amin’i Jesosy Kristy irery ihany. Alefan’Andriamanitra ny fahoriana mba ho Fanitsiana antsika. Toy ny ray aman-dreny tsara Andriamanitra ary maniry ny hampivoatra ny zanany. Mampiasa fijaliana indraindray Izy mba hifehezana antsika sy hahasoa antsika (Hebreo 12: 7-13).
Alefan’Andriamanitra ny fahoriana mba ho: Fitsapana ny finoantsika: (2 Timoty 3:12; 1 Petera 4: 12-14; Jakoba 1: 1-19). Mampiorina ny finoantsika ny fijaliana mba hahafahantsika manompo an’Andriamanitra tsara kokoa, sy irosoantsika bebe kokoa amin’ny fiarahana Aminy. Koa rehefa niaritra fahoriana vetivety ianao dia hamerina sy hanohana ary hampahery anao ary hametraka anao eo amin’ny fototra mafy orina Izy ”(1 Pet. 5:10).
Amin’ny alàlan’ny fahoriana, dia mamolavola antsika ho afaka hiatrika ireo karazan’ady maro samihafa misy eto amin’izao tontolo izao Andriamanitra, satria ny fanarahana an’i Kristy dia ahitana ny fijaliana sy ny fitsapana koa fa tsy fiainana feno fiadanana fotsiny.
Indraindray Andriamanitra dia miara-miasa amin’ny mino mba hamoahana ny tsara amin’ny toe-javatra ratsy. Na dia eo aza ny faharatsiana sy ny loza dia hain’andriamanitra ny mamadika izany ho fampandrosoana ny fiainatsika. Na dia avelan’Andriamanitra hitranga amintsika aza ny zava-doza amin’ny fotoana sasany dia hain’Andriamanitra ny mamadika izany ho fitahiana ho antsika. Indraindray na dia avelan’Andriamanitra handalo fitsapana mahamay aza isika dia feran’Andriamanitra koa ny herin’izany mba ahafahatsika maka aina amin’ny ady, dia ny ady tsaran’ny finoan izany. Izany hoe afaka manome fanantenana eo afovoan’ny loza Izy. Mila miatrika ireo olana eo amin’ny fiainana anefa ny mino mba hampivelatra ny finoana satria ny finoana dia miorina amin’ny fanantenana, ary ny ny finoana no fototra iorenan’ny fanantenana, ka mamelona ary manohana finoana ny fanantenana.
Noho izany, ny famoizam-po dia tsy miteraka fanantenana velively, na dia indraindray aza ao anatin’ny fangirifiriana lalina sy ny famoizam-po dia azo antoka fa misy fanantenana raha mitodika amin’i Jesosy ny olona, satria tsy Andriamanitra ny ankehitriny ihany Izy fa, Andriamanitry ny Mandrakizay koa, ka mamonjy antsika amin’ny zava-tsarotra. Mila miatrika ny fahoriana amim-pinoana sy fanantenana isika. Ny fanantenana mantsy no namana tsy mba azo sarahana amintsika, satria ny fanantenana dia tsy misy hafa afa-tsy ny fiandrasana ny zavatra inoana, na ny fampanentanan’Andriamanitra amin’ ny alalan’ny finoana zavatra anankiray izay hirosoatsika.
¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤¤
𝐄𝐭𝐨 𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐦𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐲, 𝐚𝐡𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐢𝐚𝐭𝐫𝐞𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐣𝐚𝐥𝐢𝐚𝐧𝐚?
Na dia be aza ny zavatra sarom-pantarina tsy ahitantsika valiny avy hatrany avy amin’Andriamanitra, ny amin’ny anton’ny mahatonga ny fahoriana dia ny Baiboly farafahakeliny manome fanazavana ho fampaherezana ny mino.
I Josefa, ohatra, dia nijaly noho ny fahotan’ny hafa. Saingy na dia nikasa ny hanisy ratsy azy aza ny rahalahin’i Josefa, dia nikasa ny hanatanteraka zavatra tsara amin’ny alàlan’ny fijaliany Andriamanitra, ao anatin’izany ny famonjena ny ain’ny taranak’i Jakoba (Genesisy 50:20). Mety ho sarotra ny mamantatra hoe manao ahoana ny fiasan’Andriamanitra amin’ny fahoriantsika.
Ny azo antoka dia ny hazo fijaliana irery ihany no nandresy ny fahefan’ny fahafatesana amin’ny mino. Na dia eto amintsika aza ny fahoriana sy ny fijaliana, dia matoky isika amin’ny alalan’ny finoana fa ho resy ny fahafatesana rehefa nanangana ny fahariany vaovao Andriamanitra (Apokalypsy 21: 3-4). Ary amin’ny alalan’ny fanantenana no itarafantsika fa hifarana amin’ny farany ka tsy hisy intsony ny fahoriana satria efa feno ny fandresen’i Kristy ny fahafatesana.
Fantatsika fa tsy namboatra izao tontolo izao ho toeram-pijaliana Andriamanitra ary tsy hamela ny fijaliana haharitra mandrakizay koa Izy. Tsy namorona izao tontolo izao ho toerana fiadiatsika ao anatin’ny ady Andriamanitra ka haharesy antsika. Fa Andriamanitra kosa amin’izany dia manokatra lalam-pitahiana sy làlam-baovao ho antsika amin’ny alalan’ny fiaretatsika ny fahoriana. Noho izany, dia manompo an-kafaliana isika satria manantena ny hisian’ny ho avy mamiratra eo amin’ny fianantsika. Nijaly be ny apostoly Paoly. Na izany aza dia hoy izy hoe:  » Ary ankehitriny, indro, tery am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any, afa-tsy izay ambaran’ ny Fanahy Masina amiko amin’ ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy fahoriana hanjo ahy. Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’ i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran’ ny fahasoavan’ Andriamanitra. Ny Fanahy Masina milaza amiko isan-tanàna fa ny fonja sy ny fijaliana no miandry ahy. Nefa ny fiainako dia tsy misy dikany amiko raha tsy izany no ampiasako azy amin’ny famaranana ny asa… ny asan’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly momba ny fahasoavan’Andriamanitra ”(Asa. 20: 23-24).
Amin’izao isan-taona faha -79 izao, dia ampianarin’ny Tenin’Andriamanitra fa olon’ ny hazo fijaliana isika, koa aoka hiahy ny ampahorina sy hijoro miaraka amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika ao amin’i Kristy ka hiombom-pahoriana amin’izy ireo koa isika. Ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy dia manome antsika fifaliana sy finoana amin’ny fiatrehana ady ka tsy hatahotra ny fanantenatsika, satria ny Tompo no miara-miasa amintsika.
Amen !
Share