Toriteny: Levitikosy 18.1-5

Toriteny: Levitikosy 18.1-5

FITARIHANTENY

 

Ny bokin’ny Levitikosy dia boky mitantara amintsika ny fombam-pivavahana fanaon’ny zanak’Isiraely. Boky tsy dia be mpamaky loatra izy ity raha mitaha amin’ireo boky 4 hafa ao amin’ ny Pentateoka, izay samy manambara ny lalàna ao amin’ny Testamenta Taloha, noho izy somary sarotsarotra ny mamaky azy. Tena zavatra misongadina ao amin’ny boky ny lalàna amam-pitsipika momba ny fivavahana sy ny fanatitra ary ny fitondrantena. Resahiny bebe kokoa fa ny olona nafahan’Andriamanitra tamin’ny geja sy fatorana samihafa dia tarihina amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Rehefa manompo an’Andriamanitra dia misy lamina arahina mba hahatongavana amin’ny fahamasinana. Zava-dehibe amin’ny boky Levitikosy arak’ izany ny fanarahana fitsipika sy rindran-damina samihafa fa mahamasina eo anatrehan’Andriamanitra izany.

Manomboka eto amin’ ny Levitikosy 18 dia didy momba ny fitondrantena sy ny fahaiza-miaina no atolotry ny Tompo ho an’ ny zanak’ Israely mba hotandremany sy harahiny.

Ny fanontaniana ilaintsika apetraka sy hovaliana eto dia izao :

  1. Inona sy inona avy moa ireo didy sy fitsipika nasain’ ny Tompo hotandremana sy harahina ?
  2. Fomba ahoana no hitandremana sy hanarahana ny didin’ Andriamanitra ?
  3. Nahoana no tsy maintsy tandremana sy arahina ny didin’ Andriamanitra ?

 

  1. IREO DIDY SY FITSIPIKA NASAIN’ NY TOMPO HOTANDREMANA SY HARAHINA

 

Zanak’ Israely efa tafita ny ranomasina mena, izany hoe, efa nandray ny famonjen’ Andriamanitra teo anoloan’ ny fahafatesana no hita eto. Taorian’ izany famonjen’ Andriamanitra azy ireo izany no nomena ny didy folo, mba ho tandremana sy ho fitaizana azy. Mialoha ny nanomezan’ Andriamanitra ireo didy folo, dia nanao izao tari-dresaka izao Izy : “Izaho no Jehovah Andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta,  tamin’ ny trano nahandevozana” (Eks. 20.2).  Zava-dehibe izany hoe: vahoaka efa afaka no nomena ny lalàna. Nomena ny didy mba hahitsy tokoa amin’ ny fanompoana sy ny fanarahana an’ Andriamanitra izy ireo, mialoha ny hidirana ny tany Kanana, tany izay nampanantenain’ Andriamanitra ho lovain’ izy ireo, tany izay nanomezan’ Andriamanitra toky ny zanak’ Israely fa ao izy ireo no hivantana sy honina. Tena tia azy ireo ny Tompo ka mandidy ny Azy ho tia Azy. Izany no ambarany amin’ ireo didy telo voalohany. Natao hanompo Azy irery ihany izy ireo. Manaraka izany, dia mandidy ny azy hifankatia ny Tompo. Hoy indrindra Izy ao amin’ ny Lev. 19.18 : tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Izany no takiany amin’ ireo didy fito farany. Voajery avokoa manomboka eo amin’ ny ray aman-dreny ka hatramin’ ny mpiara-monina. Fitiavana fatratra ny Tompo sy fifankatiavan’ ny olony no ambara amin’ ny didy folo.

Ny lalàn’ Andriamanitra anefa dia tsy ny didy folo  ihany fa manondro ny didy amam-pitsipika rehetra nasain’ Andriamanitra notandreman’ ny zanak’ Israely ka nampitain’ i Mosesy (Mat. 22.36; 23.23; Lio. 2.22,39; Jao. 1.17; 7.19). Nitatra ny heviny ka ilazàna ireo boky mirakitra ireny didy amam-pitsipika ireny, dia ny boky dimy voalohany ao amin’ ny Testamenta Taloha (Genesisy, Eksodosy, Levitikosy, Nomery, Deoteronomia); ka amin’ izay ny hoe “lalàna” dia mitovy amin’ ny hoe “bokin’ i Mosesy” (Mat. 5.17;  Jao. 1.45…). Rehefa nivoatra  ny hevitry ny teny,  dia niantsoana ny Soratra Masina  manontolo ny lalàna (Jao. 10.34; Rom. 3.19; 1 Kor. 14.21), ka mitovy hevitra amin’ ny fiteny hoe “ny lalàna sy ny mpaminany”.

 

 

 

  1. IREO FOMBA HITANDREMANA SY HANARAHANA NY DIDIN’ ANDRIAMANITRA

 

Fomba roa no atolotry ny Tompo eto :

 

  • Mba tsy hanao araka ny fanaon’ ny tany Egypta (and. 3a)

 

Ny tany Egypta dia fantatsika fa nanandevo ny zanak’ Israely nandritra ny 430 taona (Eks. 12.40). Nampijaly sy nampitondra fahoriana ny zanak’ Israely ny Egyptiana tamin’ ny alalan’ ny fanompoana mafy. Ankoatr’ izany, dia mihaika an’ Andriamanitra izy ireo, izany hoe manao an’ Andriamanitra ho tsy misy ka maninana ny heriny (Eks. 5.1-5). Fiavonavonana sy fiheveran-tena ho zavatra izany. Mihevitra ny didin’ Andriamanitra ho lainga sy habobo izy ireo (Eks. 5.6-9).

Amin’ ity Perikopa anjarantsika androany eto ity, ny Egyptiana dia nanaiky ny fifanambadian’ ny mpihavana akaiky, izay tanisaina eo amin’ ny and. 6-18. Na ny mpirahalahy, ny mpihavana akaiky dia mifampila sy mifampizara vady mihitsy aza. Fahavetavetana sy toetra ratsy ary fomba amam-panao mety hianaran’ny zanak’ lsraely avy tamin’ny fifaneraserany tamin’ireo Egyptiana izany.

Izany rehetra izany no fanao ratsin’ ny Egyptiana, ka andraràn’ ny Tompo eto. Noraràn’ Andriamanitra mihitsy ny zanak’ lsraely mba tsy hanao tahaka ny fanaon’ny tany Egypta. Ny didin’Andriamanitra, izany hoe ny Tenin’Andriamanitra, no tokony arahina sy ankatoavina ary iainana.

 

  • Mba tsy hanao araka ny fanaon’ ny tany Kanana (and. 3b)

 

Ny tany Kanana dia ny tany nampanantenain’ ny Tompo fa homena ny zanak’ Israely, tany tondra-dronono sy tantely (Lev. 20.24). Ao amin’ ny Testamenta Taloha, dia i Kanana no anoharana ny fanimbazimbana firaisam-batana (and. 22-28). Tafiditra ao anatin’ izany ny firaisan’ ny lahy samy lahy sy ny firaisan’ ny vavy samy vavy (homosexualité, and. 22). Io moa no antony nandravàna an’ i Sodoma sy Gomora (Gen. 19.1-24); ao ihany koa ny firaisana amin’ny biby (bestialité, and. 23). Talohan’ny nidiran’ny zanak’Israely tany amin’ny tany Kanana, dia fomba fanaon’ny jentilisa sy ireo mponina tany io fahavetavetana sy fanompoan-tsampy samihafa izay mamohehatra io. Nampitandrina ny zanak’Israely ny Tompo mba tsy hanaraka ny fanaon’ny tany Kanana ka hanahaka ny fanahim-biby amin’ny toetra sy ny fahavetavetana samihafa. Ambara eto ny filàna mamoafady sy mahamenatra na dia ny miteny azy aza, nefa dia nataon’ny olona.

Ry havana! araho ny sitrapon’ Andriamanitra. Mampitandrina ny Soratra Masina mba tsy hanarahanao ny fomba vetaveta sy mahamenatra. Ho antsika ankehitriny koa io fampitandremana io fa tsy ho an’ny zanak’Israely tamin’izay fotoana izay ihany. Miha mahazo vahana tokoa manko ankehitriny ireo toetra sy fahavetavetana samihafa ireo. Miady mafy ireo izay mpomba  ity fitondrantena mamoafady ity ankehitriny hanamarina izay lazainy, amin’ny fandikàna vilana ny Soratra Masina, ary dia mahavatra mihitsy mitaky ny zo sy ny filazàna ny fahafahana ho an’ny olona rehetra. Hoy anefa ny Soratra Masina : “efa nantsoina ho amin’ ny fahafahana ianareo ry rahalahy  kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany” (Gal. 5.13).

Ry havana! Ho antsika koa izany. Tandremo ny fitondrantenanao. Arovy ny tenanao tsy ho azon’ny faharatsiana samihafa na hamadika izay lazain’ny Soratra Masina ho araka izay heverinao ho mety aminao. Arovy ny tenanao tsy ho voaloto amin’ny endriky ny fanompoan-tsampy samihafa sy ny fijangajangana. Tezao, ampianaro, toroy ny zanakao fa mamoafady eo anatrehan’ Andriamanitra ny fijangajangana sy ny fitondrantena maloto. Ny fanafody miaro amin’ny SIDA no tsy mahavoan’ny SIDA dia ity : AZA MIJANGAJANGA. Io ihany no fanafody. Mankatoava ny sitrapon’ Andriamanitra, tezao ho amin’ ny fahamasinana ny fitondrantenanao sy ny zanakao. Mba ho isan’ izay mampiasa izany koa anie ianao dia ho voaaro lalandava.

 

 

 

  1. NY ANTONY TSY MAINTSY HITANDREMANA SY HANARAHANA NY DIDIN’ ANDRIAMANITRA

 

Antony roa no resahina eto :

 

  • Satria baikon’ ny Tompo izany

 

Hoy indrindra ny baikony eo amin’ ny and. 4 sy 5a hoe : “Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko”.

Mialoha indrindra ny hidirana ao amin’ ny tany Kanana, dia manome baiko ny Tompo fa tsy maintsy tandremana ny didiny satria mahasoa izany. Nasain’ i Jehovah Andriamanitra notandreman’ ny zanak’ Israely fatratra ny didiny. Tsy vitan’ ny hoe, Andriamanitra tenany ihany, no nilaza mivantana sy nampirisika ny zanak’ Israely, fa mbola nirahiny sy nomeny andraikitra koa i Mosesy, mba hilaza amin’ ny zanak’ Israely fa zava-dehibe ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra. Nentaniny ny zanak’ Israely, nampirisihina izy ireo.

Ry havana! mandidy anao koa ny Tompo mba holazaina sy hatao ary hampiharina eo amin’ ny fiainana ny fitsipika sy ny didiny, na aiza na aiza, ary amin’ ny taranakao rehetra. Mbola miteny aminao ny Tompo, manome anao ny fitsipika sy ny didy maro samihafa amin’ ny alalan’ ny Teniny. Noho izany, natao hovakianao izay voarakitra ao amin’ ny Baiboly, raha te hizotra araka ny sitrapon’ Andriamanitra ianao. Didy no omen’ Andriamanitra anao mba hanarahanao ny sitrapony. Aza angatahanao andro izany fa ankatoavy avy hatrany. Izany no fahendrena eo anatrehany.

 

  • Mba hananana fahavelomana

 

Hoy indrindra ny Tompo eo amin’ ny and. 5 hoe : “tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin’izany izy: Izaho no Jehovah”. Inona moa no hevitr’ izany? Valinteny dimy no atolotra eto :

  • Jehovah hampiditra sy hampandova ny tany Kanana

Hoy indrindra ny Tompo ao amin’ ny Deot. 6.17-19 : “Tandremo tsara ny didin’i Jehovah Andriamanitrareo sy ny teni-vavolombelony ary ny lalàny, izay efa nandidiany anao. Ary ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason’i Jehovah, mba hahita soa ianao ary mba hidiranao handova ny tany soa izay nianianan’i Jehovah tamin’ny razanao homena azy, ary mba horoahiny tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, araka izay nolazain’i Jehovah”.

Mifamatotra mandrakariva amin’ny fankatoavana sy ny fitandremana ny Tenin’Andriamanitra, ny fitsipik’Andriamanitra ny fidiran’ny zanak’Israely ao amin’ny tany Kanana. Rehefa manaraka ny sitrapon’ Andriamanitra izy ireo dia hiditra handova ny tany rehefa avy noroahin’ Andriamanitra ireo tompon-tany. Tanterahan’ Andriamanitra ny fanekeny rehefa tena mifamatotra Aminy amin’ny alalan’ny fitandremana ny teniny ny vahoakany. Fepetra takian’Andriamanitra hidirana amin’ny fahatanterahan’ ny teny ity fitandremana ny fitsipiny ity.

Ry havana! Fepetra ahafahanao mandova ny fiainana mandrakizay arak’izao ny fanarahanao tsara araka izay tokony ho izy ny sitrapon’ Andriamanitra. Tsy misy na iza na iza hiditra ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra raha tsy efa nahatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra teto amin’izao tontolo izao izy. Aoka ho zava-dehibe aminao arak’ izany ny fanananao fiainana mifanaraka amin’ny Filazantsaran’ i Jesosy, fa antoka handovanao ny fiainana mandrakizay izany. Homeny anao ny lanitra.

  • Jehovah hanome taranaka maro

Hoy indrindra ny Tompo ao amin’ ny Lev. 26.9 hoe : « Ary hijery anareo Aho ka hahamaro ny taranakareo sy hampitombo anareo ».

Ny fahamaroan-taranaka dia tena tsy tokony hadinoina fa endriky ny fitahian’Andriamanitra ny olony. Teny fampanantenana nomena an’i Abrahama izany raha nanao fanekena taminy Andriamanitra. Ny fahamaroan-taranaka sy ny fitomboana arak’izany no vokatsoa ateraky ny fijeren’ Andriamanitra ny olony. Izany fijeren’ Andriamanitra izany anefa dia tsy tokony hadinoina fa vokatry ny fahamasinan’ ny vahoakany izay tena hevitra fototra fonosin’ny boky Levitikosy.

Ry havana! Angataho mandrakariva ny hijeren’ Andriamanitra anao mba hitahiany anao ka hampitomboana sy hahamaroany isa antsika.

  • Jehovah hampahavokatra ny tany

Hoy indrindra ny Tompo ao amin’ ny Lev. 26.10 hoe : “Ary hihinana ny tranainy hianareo, sady hamoaka ny tranainy hasiana ny vao”. Ny Dikanteny iombonana eto Madagasikara (DIEM) dia manao hoe : « ho be ny vokatra miakatra ka haharitra hihinananareo ny vokatra tranainy ary hisy sisa atao varo-boba fotsiny aza mba hasiana ny vao ».

Ny hoe mihinana aloha dia enti-milaza fahavelomana. Tsy ho afaka mivelona isika raha tsy mihinana. Eto dia manome toky ny Tompo fa Izy dia mijery ny olony, ka mahatonga fahavokarana. Tena hisitraka izany ny olony. Ny tena mahafinaritra dia ny mamaky fa ho ampy tokoa ny vokatra, hahavoky tokoa ka hisy ambiny. Ny tena mahafaly koa dia tsy hoe ho ampy fotsiny ny vokatra fa hisy ambiny aza ka hatao varo-boba ny vokatra tranainy mba hahafahana manome toerana ny vokatra vaovao. Tena mitobaka arak’izao ny fitahian’Andriamanitra. Tsy hoe manome taranaka fotsiny Andriamanitra fa manome izay hahavelona ny taranaka ihany koa. Mandringa ihany mantsy izany hoe maro anaka kanefa tsy afa-mivelona ara-dalàna izany akory.

Ry havana! Tsarovy fa momba sy miahy anao hatrany ny Tompo. Miahy ny ankehitriny  sy ny ampitsonao Izy. Koa, “apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo” (1 Pet. 5.7). Manamafy izany i Martin Lotera ao amin’ ny hevitry ny Hataka faha 4, ka isika dia “mahazo ny zavatra rehetra izay momba izao fiainana izao, toy ny hanina, fitafiana, trano, tany ambolena, biby ompiana, vola, fananana, vady aman-janaka tsara fanahy, mpanompo mahatoky, tompo malemy fanahy, mpanapaka hendry sy tsara fanahy, rivotra madio, fiadanana, fahasalamana, fitondrantena tsara, havana tsara, namana marina, ary ny zavatra maro toy izany”. Koa misaora ny Tompo amin’ ny zavatra rehetra satria Izy no manome izay ilaina hivelomanao sy mba hitahiany ny haninao isan’ andro (Sal. 103.2; 1Tes. 5.18).

  • Jehovah hanome andro maro iainana, fahela velona

Hoy ny voalaza ao amin’ ny Deot. 5.30 hoe : “fa ny lalàna rehetra izay nandidian’i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin’ny tany izay holovanareo”.

Mandidy ny olony handeha amin’ ny làlana tondroiny ny Tompo. Ny antony dia izao ihany : mba ho velona sy hahita soa ary ho maro andro any amin’ ny tany lovany izy. Zava-dehibe izany hoe : ho velona sy ampoky ny soa ary lava andro iainana. Moa ve tsy izany no irin’  ny olombelona fatratra sy katsahiny? Efa nomen’ Andriamanitra ny fanalahidy sy ny làlana ahazoana izany, dia ny fankatoavana ny Teniny.

Ry havana! tsarovy lalandava fa tsy manana faniriana afa-tsy tsara ho anao ny Tompo. Ny hahatanteraka izany no andidiany anao hanaraka ny làlana soritany ho anao. Tandremo ny Teniny sy ny didiny, dia hahita soa ianao sy ny taranakao ka ho ela velona eo amin’ ny tany omeny anao.

  • Jehovah honina eo amin’ ny olony

Hoy indrindra ny Tompo ao amin’ ny Lev. 26.11 hoe : “Ary ny tabernakeliko dia hataoko eo aminareo; ary tsy ho halan’ny fanahiko hianareo”.

Ny bokin’ ny Levitikosy dia mampianatra ny olona hanompo eo amin’ ny Tabernakely. Ny Tabernakely moa dia tsy hafa fa ny Trano Fiangonana, toerana fihaonana amin’ Andriamanitra. Antsoina ihany koa hoe “Tranolay fihaonana” ny Tabernakely. Ny fitoeran’ny Tabernakely eo amin’ny Zanak’Isiraely dia filazàna an’ Andriamanitra monina, miara-belona amin’ny olony. Ary mazava ny antony, tsy tofoka amin’ny olony Andriamanitra. Ny fonenan’ Andriamanitra eo amin’ny olony dia filazàna fa hitohy ary tsy hanam-pitsaharana ny fameloman’ Andriamanitra azy ireo ka hitombo sy hihamaro hatrany izy ireo.

Ry havana! Mangataha mandrakariva ianao mba hiara-belona aminao hatrany i Jesosy, Ilay tena Fahasoavan’ Andriamanitra ho an’ izao tontolo izao.

FEHINY

 

Raha aravona izay rehetra nambara teo, ry havana, dia izao : Baiko no omen’ ny Tompo anao eto mba hitandremanao sy hanarahanao ny didiny sy ny sitrapony. Anisan’ny anehoanao ny fahaizana miara-monina sy ny fiombonana amin’Andriamanitra ny fanarahanao ny didiny sady mahasoa anao. Manome anao ny fomba ahazoanao mitandrina sy manaraka ny didiny Izy, dia ny hialanao amin’ ny sampy sy ny fahavetavetana samihafa.  Nataony hahavelona sy hahasambatra anao ny fanarahanao izany didiny izany, ka ho maro taranaka ianao, hahavokatra ny taninao, ho maro andro iainana ianao, honina eo aminao Izy ary amin’ ny farany hampandova anao ny lanitra Izy. Hoy ny Tompo aminao anio : “Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao, dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra Aminy; fa izany[Na: Izy.] no fiainanao sy fahamaroan’ny andronao, mba honenanao eo amin’ny tany izay nianianan’i Jehovah tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy.” (Deot. 30.19-20).

Share